PNDIE 2020 – Fotodrafitrasa sy Fampitaovana

Indro ny fanambarana nataon’ny Ministera MAHTP.

Hanana ny Politikam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana amin’izay Madagasikara.

Taorian’ny atrikasa isam-paritra nakan-kevitra handrafetana azy dia notanterahina anio 20 desambra 2019 ny fankatoavana izany Politikam-pirenena izany (Politique Nationale de Développement des Infrastructures et Equipements – PNDIE)

Vina lehibe napetrakin’ny filoham-pirenena ao amin’ny IEM ny hanangana fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny faritra tsirairay avy amin’ny fomba tsy mitanila. Fotodrafitrasa maharitra sy ho lovain-jafy, manaraka ny fenitra ary afaka mihatrika ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny loza voajanahary.

Efa nanomboka ny taona 2016 no nanaovana vina hamolavolana ity politikam-pirenena ity, maro ireo atrikasa sy fakan-kevitra notanterahina ary ministera 14 no niara nisalahy tamin’ny fandrafetana azy. Fandrindrana ankapobeny sy fanatsarana ny fitantanana ireo foto-drafitrasa no antom-pisian’ny PNDIE.

Mpiara miombona antoka maro no nanohana tamin’ny famolavolana ity politikam-pirenena ity, ny tetikasa PROSPERE tamin’ny alàlan’ny famatsiam-bola FIDA, ny OIT, ny tetikasa PAGE/GIZ/PRCC.

Ny fanatanterahana azy kosa dia hanaingana ny rehetra voakasika na mivantana na ankolaka, na avy eto an-toerana na avy any ivelany

Facebook MAHTP, 21 décembre 2019

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Propulsé par WordPress.com.

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :